Mofomamy soja

1115

MOFOMAMY SOJA :

azo ampiasana ny faikan’ny soja avy nakana ronono  

ZAVATRA ILAINA

 

Mofomamy soja
Lafarina 200g
lalovay 6g (1sotro kely)
Atody 3
Siramamy izay tiana
dibera 80 g (avoaka aloha halemy)
Ronono 1 vera
Faikana soja 1 kapoaka
 

FIKARAKARANA AZY :

Hafanaina ny lafaoro ary karakaraina ny lasitra : asiana dibera kely
Kapohina ny atody rehefa miakatra tsara dia arotsaka ny siramamy.
Rehefa levona tsara ny siramamy dia arotsaka ny dibera malemy, ny lafarina, ny lalovay, ny faikana soja ary farany ny ronono.
Arotsaka anaty lasitra efa nisy dibera ny rehetra
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180° ary  jerena  fa tokony 30 minitra eo fa miankina amin’ny habeany ihany koa  

Mazotoa o 

Nahandron’i Razafinirina Olga Ngolo :  03-02-18
 

Catégorie: