Mokary au coco choco

855

MOKARY AU COCO CHOCO - MOKARY SY VOANIO ARY SOKOLA'

ZAVATRA ILAINA 

Ho an'ny mokary 30 eo
Lakirema voanio - "Crème de coco" 200ml
Ronono matimaty 60ml lalovay 1/2 sotrokely (Levure boulangère seches -na koa lalovay 3g raha lévure boulangere fraiche no ampiasaina)
dibera 40g (malemy - mitsonika) 
siramamy 50g 
"Sucre vanillé" 10g (azo asiana lavanilla fotsiny ny paty dia ampiana ny lanjan'ny siramamy raha tsy manana "sucre vanillé") Vovoka voanio 30g 
kobam-bary 90g 
lafarina 60g 
sokolà 60g 
atody 1 
menaka kely

FIKARAKARANA AZY 

 

1- levonina ao anaty ronono matimaty ny lalovay dia avela hipetraka kely 10 minitra mba hahazoana ranony somary mandroatra 
2- Afangaro avokoa ny vovoka maina : lafarina, kobam-bary, siramamy ary ny voanio, avy eo arotsaka ao ny atody, ny lakrema voanio ary farany ny dibera mitsonika. 
3- araraka ny ronono misy lalovay dia kapohana tsara mba tsy hisi mivaingambaingana ka rehefa mitambatra tsara dia avela hipetraka amin'ny toerana mafana mandritry ny ora 1, saromana lamba. 
4- Hosorana menaka ny lasitra dia araraka ny koba, alaina amin'ny sotrobe, ka tsy fenoina be fa tokony ampaha-telon'ny lavaka tsirairay ihany.
5-  rehefa misy "bulles" eo amboniny dia asiana sokolà kely  eo amboniny dia avela kely 1 minitra eo ihany aloha ka rehefa somary maina ny sisiny dia avadika amin'ny sotro mba ho masaka koa ny ao ambadika

Mazotoa daholo indray e!

Nahandron'i Lova Petit Rama - Graine de faim kely 

 

Catégorie: