Mokary (lafaoro)

348

Mokary au four  (na mofogasy koa raha tianao dia tsy asiana coco)
Satria moa fianarana sy fanandramana ihany no atao ka ny vokatra no zaraina. Ity dia natao anaty lafaoro satria lasitra fanaovana cupcake no nanaovana azy 

Zavatra ilaina :
lafarina 250g,
kobambary 250 g,
siramamy 200g,
atody 2,
lalovay na "levure boulanger" 1 fonosana,
Coco vovony 100g,
menaka 3 sotro fihinanana
ary rano matimaty 250ml eo ho eo araraka tsikelikely . (azo ampiana "lait de coco" )

Fikarakarana azy:
Ny lalovay na "levure" aloha alona amin'ny rano matimaty kely ho levona.
Maka bol dia atao ao daholo ireo zavatra maina rehetra: lafarina, koba, vovoka coco ary ny atody efa nokapohana , arotsaka koa ilay levure ary avy eo ny rano ambiny araraka tsikelikely
Afangaro tsara ireo rehetra ireo mba tsy hivaingambaingana izay vao arotsaka ny coco vovony sy ny siramamy ary rehefa manome pate malama tsara dia navela nilona nandritra ny ora 2 ka nosaromana lamba. 
Rehefa tapitra ny fotoana dia lasa misy toy ny "boule" kely be dia be lay paty,

Fahandro azy: 
Hafanaina mialoha ny lafaoro ka atao ambany 150° dia rehefa mafana dia
afaka andrahoina amin'izay ny mokary ka hosorana menaka isaky ny lavaka sy manodidina dia araraka amin'ny "louche". tokony ho 5-8 min eo dia avadika, mila jerijerena.

nahavita teo amin'ny 30 teo izy io fa izay tonga lany

Mazotoa indray ary o
Nahandron'i Faraniaina Rasandiharisoa 

 

Catégorie: 
Matériels: