Muffin fraise

Portrait de Angie
749

ODY AM - BAVA FO na SAKAFO MARAINA : MUFFIN FRAISE

Zavatra ilaina:

atody 2
dibera natsonika 100g
siramamy 150g
lafarina 250g
sira 1 tsongo
lalovay simika 1 fonosana
frezy bio 200g

Fikarakarana azy :

- Kapohana ny dibera sy ny siramamy, dia arotsaka ny atody ary kapohana indray
- afangaro ny lafarina sy ny tsongon-tsira ary ny lalovay simika, dia alefa ao amin'ny fangaro tetsy aloha avy eo, afangaro tsara
- arotsaka ny frezy efa voasasa sy voatetika ain'ny habeny tianao
- maka lasitra muffin, asiana papier sulfurisé (afaka atao emballage raha tsy misy, hosorana menaka kely aloha ny lasitra vao apetraka ny emballage)
- araraka eo amin'ny 3/4 ny paty ary aelfa anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha (thermostat 6 izany hoe 180° mandritry ny 15 - 20minitra)

am-pitiavana foana
Mazotoa o !

 nahandron'i Niry Rafi
 

Catégorie: