Muffins sy nutella

666

ODY AM-BAVA FO : "MUFFINS misy nutella" 
mahavita 10 na 12 isa

ZAVATRA ILAINA :
lafarina 280g
siramamy 100g na ampiana kely raha tia mamy
ronono 150ml (soja ny ahy teto)
dibera 80g na menaka 8sotro
lalovay simika 1fonosana (10g)
atody 2
sira 1 tsongo (mampatsiro azy)
lavanila ranony 1sotro na izay hanitra tianao

FIKARAKARANA AZY :
- Alaina ny "bol" iray dia alefa ao ny fangaro maina ( lafarina, siramamy, sira, lalovay) ary afangaro
- Alaina ny "bol" faharoa dia afangaro ao ny dibera natsonika, ny atody ary ny ronono
- Araraka ao amin'ny "bol" nisy ny fangaro maina avy eo. Aroina.
- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C 10minitra
- Araraka anaty lasitra ny paty dia masahana anaty lafaoro 180°C mandritry ny 15minitra. Tsindromy kely ka rehefa tsy misy manaraka dia masaka, raha mbola misy manaraka dia tohizana kely ny fanamasahana azy.

mazotoa o 

Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: