Muffinsau pepites de chocolat

1002

 SAKAFO MARAINA na ODY AM-BAVA FO : MUFFINS AU PEPITES DE CHOCOLAT 

Azo atao amin'ny lasitra cake ihany koa ity mofomamy ity raha tsy tiana zaraina tsirairay 

ZAVATRA ILAINA : (mahavita 16 isa)
Lafarina 180g
Lalovay simika 1/2 fonosana 
yaourt 2 
dibera "demi-sel" 100g (natsonika)
"noisette" (na "amande") vovony 50g
siramamy 120g
siramamy misy lavanila 10g (azo atao kikin-davanila)
atody 3
"pépites de chocolat" 80g +20g (hanaingoana)
"sucre glace"
dibera 30g sy lafarina kely ho an'ny lasitra

FIKARAKARANA AZY :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C
- Hosorana dibera sy fafazana lafarina ny lasitra
- Kapohana ny atody sy siramamy mandra-pahalevon'ny siramamy
- Arotsaka ny yaourt, aroina
- Tantavanina ny lafarina efa nasiana lalovay, dia arotsaka tsikelikely ao amin'ny fangaro teo aloha, aroina mora
- Arotsaka ny "noisette" vovony ( na "amande" vovony raha tsy misy), avy eo ny dibera natsonika, afangaro mora
- Arotsaka ny vaingan-tsokola 80g, dia afangaro mora
- Fenoina amin'io paty io ny lasitra hatreo amin'ny 3/4 dia atsofoka anaty lafaoro 180°C mandritry ny 15 minitra. 
- Avy eo, raradrarahana ilay vaingan-tsokola 20g dia tohizana 15 na 20 minitra ny fandrahoana azy.
- Andrasana matimaty dia esorina anaty lasitra ary fafazana "sucre glace". Vonona.

Mazotoa o !

nahandron'i Lova Petit Rama - Graine de faim kely -Mamina 09.05.17

Catégorie: