Nem akondro

965

TSINDRIN-TSAKAFO NA ODY AM-BAVA FO : BANANE ET NUTELLA AU FEUILLE DE BRICK

Tsotra sady mora atao raha mba te hiova indray

ZAVATRA ILAINA

Pate nem/sambos : Feuille de brick
akondro
nutella
atody  na kafe na ronono atao “dorure”

FIKARAKARANA AZY

Tetehana ny akondro
Velarina ny “Feuille de brick” araka izay habeany tiana dia asiana didin’akondro iray eo amboniny avy eo dia asiana nutella kely ihany koa avalona ny sisiny roa dia ahorona toy ny tsihy
Apetraka ambony lasitra efa nasiana taratasy “papier cuisson”
Lalorina kafé na atody voakapoka na ronono mba hanome loko azy rehefa masaka.
Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 180° ka tokony 10-15 minitra eo miankina amin’ny lafaoro dia vita, tena jerena tsara fa ny ivelany  fotsiny no mila masaka mantsy.

Mazotoa o 

Catégorie: