Nem au viande

1023

TSAKITSAKY : NEM HENA

ZAVATRA ILAINA : 
paty famososana nem efa vita 
toto-kena 
atody 
olatra maina na hoe champignon
tongolo maintso 
kotomila
dipoavatra 
sakamalaho
menaka fanendasana

azo ampiana paty blanche (paty vita amin'ny vary) raha tiana

FIKARAKARANA AZY:

Alona rano mangotraka ny olatra maina rehefa voasasa tsara ary tetehana madinika dia afangaro miaraka amin'ny toto-kena, tongolo maintso sy kotomila efa voatetika madinika avokoa, 
raha asiana paty blanche dia ampangotrahana kely izany dia tsihifina ary tetehina ihany koa, asiana dipoavatra sy sakamalaho voatoto kely dia nafangaro daholo ary asiana sira.
Alaina ny fonosana nem dia asiana sesika ary endasina amin'ny menaka mafana ka rehefa vita dia atsika tsara aloha vao aroso. 
Eto moa naroso niaraka tamin'ny lasary kokombra voakiky izay azo jerena ato ny fanamboarana azy

mazotoa o

Catégorie: