Nofon-kena sy epinara

1035

Specialité  italien no zaraina amintsika anio ny italiana dia tena mihinana sakafo feno hatrany ny atoandro sy hariva izay tsy maintsy misy ireo otrikaina ilain’ny vatana rehetra.
Mizara 4 foana ny menu  ity"involtini di carne e spinaci " izany dia “secondo piatti”  izy ho azy ireo, izany hoe mihinana ny “antipasto” na hoe fanokafam-bavony aloha , avy eo “primo piatto” paty na vary ohatra , izao vao aroso ny “seconto piatto e contorno” izany hoe hena na trondro sy legioma ilay contorno, izay vao tsindrin-tsakafo  voankazo ary faranana amin’ny kafé sy zava-mamy foana na koa rehefa mafana toy izao dia sorbet na glace.

 

ROULE' DE VIANDE et EPINARDS - NOFON-KENA VOASESIKA EPINARA -

ZAVATRA ILAINA

nofo-kena tetehana fisaka izay tiana : henomby, henakisoa, nofona gisa, nofon’akoho
fromazy parmesan  voakiky na izay misy
tongolo gasy na tongolo be misafidy, 
persila ,
sira,
dipoavatra
menaka,

FIKARAKARANA AZY

Arotsaka anaty ranomangotraka misy sira ny anana “épinards” , avela ho masaka 10minitra eo dia tatavanina ary avela hangatsiatsiaka dia hetiketezana na tetehana ny anana.

Maka lapoaly asiana menaka dia endasina ao na tongolo gasy na tongolo be voatetika ary tsy avela ho may fa manjary mangidy , arotsaka ny anana dia avela ho mendimendy ao 10 minitra eo ,  rehefa vita izay dia esoriny ambony afo ary asiana pesila voatetika sy fromazy voakiky dia afangaro tsara ary avela hangatsiatsiaka indray vao asiana atody voakapoka misy sira sy dipoavatra raha tiana dia afangaro tsara.
alaina ny nofonkena dia somary kapokapohana amin'ny vodin'antsy raha tsy manana ilay fikapohana azy. Raha nofonkena malemy dia tonga dia afaka velarina izy efa fisaka tsara iny
asiana ilay anana efa vonona io dia ahorona toy ny tsihy ny hena dia tsindronina cure dent hitazona azy na kofehy fanao sakafo na amin’izao ihany koa fa tsy miboraka moa io raha mivalombalona tsara.

FAHANDRO AZY : afaka misafidy izay fomba tiana , ireto misy karazany azo atao 
- Asiana menaka oliva na dibera kely ny vilany dia atao ao ny hena ho mendimendy, raha tiana hohanina amin'izao dia avela ho masaka amin'ny afo malefaka rehefa mendimendy asiana rano 1 vera. (azo asiana divay fotsy kely na koa vinaingitra balsamika) ka rehefa lasa entona io vao tapohana rano hahamasaka azy.
- Azo endasidasina indray ny tongolo be sy karoty ary celeri raha tiana dia arotsaka ao ny hena avela ho mendimendy dia tapohana divay na rano dia avela ho masaka indray 

-Azo asiana voatabia efa no mixer-na na ireny saosy efa amin'ny tavoahangy ireny . Asiana rano 1 vera dia avela hitanika amin'ny afo malefaka. Rehefa ritra ny rano dia vita.

Ny hena dia hohanina amin'ny mofo, vary, salady, legioma, ovy ... izay tiana e
Ny saosy voatabia kosa azo hanaovana fangaro amin'ny pates, lasagna, pizza... izay matetika tsy lany dia azo atao anaty tavoahangy dia atao anaty vata fampangatsiahana na koa anaty  bocale dia "congeler-na" satria mety tsara ary ampiasaina amin'ny manaraka.

Fanamarihana: 
Eto izy dia madinika ny nanaovana azy fa azo atao nofon-kena lehibe dia tetehana rehefa masaka fa mitovy ihany ny fanaovana azy , ary azo atao anaty lafaoro koa raha tiana 

Mazotoa indray ary o

Nahandron'i Lolah Fredie 

 

Ingrédients: 
Catégorie: