Nofon-trondro sy ovy

686

Filet de poisson à la julienne de pommes de terre 

Zavatra ilaina:

- 8 filets de poisson 
- ovy 3 (na izay ampy)
- menaka oliva na evo ( extra vierge d'olive)
- sira sy dipoavatra

Fikarakarana:

- sasana dia voasana ary tetehina lavalava manify e"en julienne" ny ovy dia asiana sira sy menaka kely dia avela hiperaka kely 
- Sasana tsara ny "filet de poisson" dia hamainina. Asiana taratasy "papier cuisson" ny lasitra dia rarahana dipoavatra sy sira aloha ao ambany izay vao alahatra ny "fillet de poisson" na koa raha tsy misy taratasy dia hosorana menaka kely na dibera ny lasitra dia apetraka ny "filet de poisson" izay vao asiana sira sy dipoavatra.  

- saronana ilay ovy voatetika ny "filet de poisson" tsy atao matevina loatra, ary faranana amin'ny menaka oliva

 

Fahandro azy: 

 

Atao anaty lafaoro 180 degree ventillé avec grill raha misy ary eo amin'ny 15 minitra ami'ilay faritra ambony indrindra ao anaty lafaoro. Rehefa mena tsara ny ovy dia vita.

 

NB: azo asina saosy hafa rehefa vita ka ho aroso mba hanome tsiro  : 
- basilika voasasa tsara dia totohina amin'ny "Mixer" miaraka amin'ny menaka oliva sy rano mafana kely dia rarahana an'io ny trondro rehefa masaka.

- azo rarahana fromazy voakiky koa dia mikarepoka sy tsara tsiro

- "noisette" : tetehina madinika dia endasina tsy asiana menaka mihitsy 5 minitra eo dia vita.

 

 

Catégorie: