Nofon'akoho voasesika

618

LAOKA RITRA : NOFON'AKOHO VOASESIKA 
( escalope de poulet farcie)

zavatra ilaina :
nofon-damosin'akoho 1
hena voatoto 300g
tongolo 2
tongolo gasy hasiny 4
sira, dipoavatra, thym
dibera 50g
"fond de volaille" 1/2 sotro fihinanana (na jumbo 1)
"crème fraîche" 2 sotro fihinanana

Fahandroana : 1ora30mn anaty lafaoro.
Aza atao ho sakana ny tsy fananana lafaoro fa azo gasiana tsara : 
asiana fasika anaty vilany gasy lehibe, apetraka eo amboniny ny plat misy ny akoho, avadika ny takotra dia asiana afo misimisy eo amboniny, dia atao afo malefaka ny ambany, jerijerana matetika sy tondratondrana ihany ilay akoho.

 

FIKARAKARANA NY NOFON'AKOHO :

1) Esorina amin'ny taolany ny nofon-damosin'akoho dia fisaho manify
2) Maka "papier film" dia velarina eo ambony "plache" ary velarina eo ny akoho, atao mahazo efamira, somary fafazana sira kely
3) sesika : afangaro ny hena voatoto, tongolo voatetika 1, tongolo gasy hasiny 4, thym, sira. Aparitaka manaraka ny zorony iray amin'ny nofon'akoho ary ahorona toy ny tsihy amin'ny alalan'lay "papier film" teo ary hidina tsara.
5) esorina moramora ilay "papier film" avy eo, fatorana tsara amin'ny kofehin-dakozia ny lafin'ny akoho rehetra, ary fafazana dipoavatra sy sira
6) Atsonika anaty lapoaly ny dibera ary alefa ao ny akoho teo, avadibadika sy tondratondrahana mandra-pahazony loko.
7) Afindra amin'izay "plat afaka mitsofoka lafaoro " hasianao azy, dia hanajanona sosy kely ao anaty lapoaly hanaovantsika saosy.
8) Hafanaina mialoha ny lafaoro 180°C , rehefa mafana, dia masahana ao mandritry ny 1ora sy 30mn, avadibadika matetika sady tondratondrahana amin'ilay saosiny, atao mahazo tsara hatramin'ny sisiny.

 FIKARAKARANA NY SAOSY :

1) tetehana ilay tongolo 1 ambiny dia atao ao amin'ilay saosy avy nanendasana teo, masahana tsara. NB : raha te hanisy divay, dia eto no arotsaka 1/4 vera. 
2) Etsy andaniny, maka "casserole" dia alefa ao ny fond de volaille 1/2 sotro (azo atao jumbo sy ny tariny raha tsy misy) lemana amin'ny rano 1/2vera (80-100ml eo) atao ambony afo ary avela ho matevina tsara.
3) Araraka ao anatin'ilay lapoaly ilay saosy mafana, aroroina, ary tantavanina, ariana ny faikany. Eto dia efa azo atao hoe vita ny saosy, afaka ampiasaina.
4) afaka ampiana "crème fraîche liquide" 2sotro avy eo dia avela somary matevina. Vita ary atokana.

 Rehefa masaka ny akoho dia esorina ny kofehy ary zarazaraina manify 1sm na 1,5sm eo ny hateviny (nahavita 15 isa ny ahy)
Afaka arahana an-tsary ny antsipirihany ....

Mazotoa o
Nahandron'i Vero Randriam

 

Catégorie: