Nougat glacé

497

Nougat glacé
Crème liquide 200ml- 2 
Atody 4
Voaloboka maina 1 tanana
Tantely 2 sotro
sira 1 tsongo

Hanaingoana azy: 
Sokolà 50g
menaka 1 sotrokely 

Fikarakarana azy: 

1. afanaina "bain-marie" ny tantely
2. Sarahina ny tapotsinatody sy tamenany dia atao lasa fotsy tsara "en neige" , ampiana sira 1 tsongo dia ka tohizana kapohina. 
3. fangaro 1: Alefa ao amin'ilay tapotsiny efa niakatra ny tantely mafana dia kapohina mandrapangatsiakany
4- manao Chantilly : rehefa avy nampangatsiahina ny crème liquide dia kapohina hiakatra tsara amin'ny "fouet na batteuse"
5- Alefa ao amin'ny chantily ny fangaro 1 (tapotsiny sy tantely) haroina moramora ary arotsaka tsikelikely ao ny voaloboka maina. 
6- asiana "film alimentaire" ny lasitra dia alefa ao ny fangaro. 
7- Ampidirina "congelateur " 4 ora farafahakeliny 
8- haingona amin'ny saosy sokolà: Sokolà sy menaka 1 sotrokely atsonika dia araraka ambony nougat glacé rehefa hihinana.
mazotoa

Mazotoa o 

Nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

 

Catégorie: