Oeuf cocotte brocoli

474

OEUF COCOTTE BROCOLI

Zavatra ilaina :

ho an'olona 4:
Brocoli 1,
creme fraiche 4 sotro,
ronono 1 pot yaourt,
fromazy teama milk 4,
tongolo be 1,
tongolo gasy,
sira,
dipoavatra
atody 4

Fikarakarana:

Ampangotrahina mantritra ny 10mn ny brocoli, dia tetehina madinina (na totoina),
Afangaro ny brocoli, ny creme fraiche, ny ronono, ny fromazy, dia arotsaka koa ny tongolo be notetehina madinika sy ny kikina tongolo gasy ary ny dipoavatra (mety koa tonga dia miaraka mixer na)
Atao anaty lovia efa nolalorina menaka na dibera, mahazaka lafaoro ilay lovia a, dia tsinjaraina ao ilay fangarona brocoli, vakiana eo amboniny ilay atody avy eo, ampidirina lafaoro amin'ny hafanana 180° mandritra ny 10mn Aroso mafana

mazotoa homana e!

Nahandroni Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: