Omelette pané

657

"Omelette au fromage pané" : atody sy fromazy.

Zavatra ilaina.

Atody
Fromazy ( "tranche" fanao @ "burger" )
Tongolo maitso
Sira
" Chapelure "
Menaka hanendasana

Izay tiana ny isany sy ny fatrany

Fikarakarana.

Kapohana ny atody sy ny tongolo maintso voatetika majinika. 
Endasina miaraka ka rehefa mitambatra tsara dia esorina,
Vita izay dia velarina ambony lovia ka haorina ao anatiny ny fromazy (ary hidina tsara tsy hisy hivoaka)
Avy eo ampandalovina amin'ny atody voakapoka sy " chapelure " dia endasina, rehefa mendy tsara ny ambadika sy ambadika dia vita.

NB: azo asiana fromazy voakiky ao anaty atody endasina dia atao jambon ny ao anatiny rehefa avalona , azo soloina mozzarella ihany koa.

Mazotoa daholo
Nahandron'i TiAna 

Catégorie: