Orita amin'ny voanio

727

LAOKA : ORITA AMIN'NY VOANIO - "Poulpe au coco"

Zavatra ilaina :
Orita1 kg 
tongolo gasy hasiny 3
sakamalaho voakiky
sira
voanio voakiky ( na "lait de coco" amin'ny boaty raha tsy misy)

FIkarakarana azy :

- tetehana ny orita, afangaro amin'ny tongolo gasy voatoto sy sakamalaho voakiky, sira, afangaro tsara dia andrahoina
- kikisana amin'ny ambozy ny voanio ( na mividy "lait de coco amin'ny boaty) dia rehefa ritra ny orita dia arotsaka ny lait de coco somary atao ketsaketsa.

Toro-hevitra :
ny orita dia mafy kokoa ka mila ajoboka anaty rano mangotrana mandifotra azy dia akarina mivoaka ny rano kely indray izay vao ajoboka kely indray dia akarina , atao in-5 toy izay aloha vao andrahoana ao halemy ka tena mety 30 minute na mihoatra araka ny habeany izay vao tetehana hatao izay nahandro tiana

Mazotoa o !

nahandron'i Brandy Abigaëlla Morgane

 

Catégorie: