By Andry Rakotomavo
Ovy anaty lafaoro
POK'OVY NOHATSARAINA
ZAVATRA ILAINA :
Ovy fotsy (isan'ny mpihinana) sira dipoavatra dibera kely
FIKARAKARANA :
- Afanaina mialoha ny lafaoro 200°C mandritry ny 10 minitra
- Diovina tsara ny ovy, ampatoriana dia tetehana manify (toy ny hizara mofo dipaina) ka tsy atao tonga any amin'ny farany ny antsy
- Raradrarahana sira sy dipoavatra
- tetehana madinika sy manify ny dibera, dia asiana kely eo ambonin'ny ovy
- Atsofoka anaty lafaoro 200°C, eo amin'ny 40 minitra eo, arakaraky ny haben'ny ovy fa mila jerijerana.
Aza avela ho may ny amboniny fa manjary mafy tsakoina. Azo ohanina amin' izao, na ampiarahina amin'ny saosy, na koa tetehana araka io didiny io dia hanaovana zavatra hafa toy ny "mille feuilles de pomme de terre" ..mazotoa o.
(Ny fanaovako azy mba tsy handany afo dia rehefa mahandro zavatra hafa izaho dia manisy kely 1 na 2)
Mazotoa
nahandron'i Vola Ray
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire