Ovy pané sy courgettes

512

Ovy pané sy courgettes 

Zavatra ilaina : 
Ovy = 300g 
Totokena kisoa = 150 g 
Poti-mofo na Chapelure
Atody = 1 
Tongolo be = 1 
Sira 
Dipoavatra
Courgettes 
Menaka fanendasana 

Fikarakarana azy : 
1. Andrahona miaraka amin ny hodiny ny ovy ary rehefa masaka dia voasana dia potsehina amin ' ny "fourchette" 
2. Maka bol lehibe dia arotsaka ao ny ovy efa voakaraka, ny totokena kisoa, ny oignons efa voatetika madinika, ny dipoavatra, ny sira ary izay hanitra tinao dia afangaro tsara amin ' ny tanana. 
3. Rehefa mifangaro tsara dia akana tsikelikely ny fangaro dia atao boribory amin ny tanana dia avy eo fisahana. 
4. Kapohina ny atody, atao anaty lovia fisaka ny poti-mofo 
5. Afanaina amin ny afo malefaka ny menaka. 
6. Rehefa mafana ny menaka dia alaina ny fangaro efa voakaraka dia asoka ao anaty ny atody dia avy indray asoka ao anaty poti-mofo dia endasina. 

Fikarakarana ny courgettes :

- Didina fisaka misopirana ny courgettes.
- Mampangotraka rano asiana sira sy dipoavatra ary izay hanitra tinao.
- Rehefa mangotraka ny rano dia arotsaka ny "courgettes". 8 minutes ihany dia esorina fa manjary modaka. 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: