Paella

Portrait de Angie
212

PAELLA 
 

ZAVATRA ILAINA:

6 fen'akoho
ron'akoho sy akorana crevettes 
1 tongolo be
500 g voatabia
1 sakaibe mena (poivron rouge)
1 sakaibe maintso (poivron vert)
1 kapoka pitipoa
1 kg "de moules"
Menaka
300 à 400 g vary 
12 crevettes 
200 g "filet de calamars "
safran na tamotamo 
sira
dipoavatra
 

FIKARAKARANA AZY:

- Tetehana ny tongolo sy sakaibe 
- esorina ny hoditriny voatabia ( alona ao anaty rano mafana be avy nangotraka )
- zaraina roa ny voataby ary esorina ny vôniny, tetehana  efamira mijinika na hoe "en dés" rehefa vita 
- Endasina amin'ny menaka kely ny tongolo; arotsaka ny poivrons roa karazany ; ary ny voatabia 
- Endasina mitokana kosa ny fean'akoho 
- Miverina eo amin'ny vilany anendasana tongolo sy ny tariny isika , araraka ny vary manta dia afangaro tsara 
- apetraka eo amboniny ny akoho efa noendasina 
- rarahana ron'akoho mafana be
- Alefa ny petits pois, alefa ny crevettes sy ny moules ary ny calmars efa voatetika 
- asiana sira ; dipoavatra ary safran saromana ary avela ho masaka , aroina indraidray mba tsy hiraikitra, ary ampina ron'akoho na rano ohatrany mahandro vary raha hita fa mbola tsy masaka 
 

Nahandron'i Rama Daniela
 

Catégorie: