Pain au lait

528

PAIN AU LAIT

ZAVATRA ILAINA:

Lafarina 500g,
siramamy 50g,
sira 5g, 
menaka 10cl,
"levure boulangère" 1scht,
ronono 25cl,
atody 1.

FIKARAKARANA:
Hafanaina ny ronono
Arotsaka anaty bol ireo zavatra ilaina rehetra ankoatra ny atody,
Volavolaina ho tonga "pâte homogène" tsy miraikitra amin'ny tanana dia avela hipetraka 1h,
Esorina ny gaz amin'ny pâte izany hoe volavolaina indray
Atao ambony "plaque" di atao arak'izay endrika hitiavana azy ny pâte dia hapetraka mandritra ny 30 mn eo aloha.
Alaina ny atody dia kapohina hanaovana dorure dia hosorana ny tampon'ilay pâte ary asiana siramamy kely.
Hafanaina mialoha ny lafaoro (180°) dia handrahoina mandritra ny 20mn

Mazotoa o 

Nahandron'i Raj Ardnir 
 

 

Catégorie: