Pain au lait 1

Portrait de Angie
1076

SAKAFO MARAINA NA GOUTER : PAIN AU LAIT

 

ZAVATRA ILAINA:

 

ronono matimaty 260gr,
menaka 70gr;
1 fonosana lalovay ( levure boulanger);
1 taho lavanila na izay hanitra tiana ;
380gr lafarina 
60gr siramamy;
5 gr sira.
atody 1 sy vovondronono 1 sotro kely nanaovako dorure.

FIKARAKARANA AZY: 

 

- ampangotraha ny ronono dia avela ho matimaty zakan'ny ankihikely ary afangaro ao lalovay dia apetraka 10 minitra. (raha mamay loatra dia maty ilay lalovay)
- afangaro anaty vilia jobo ny lafarina, siramamy, sira , lavanila (sokafana dia ilay mainty ao anatiny no alefa ) na koa izay hanitra tiana ary farany ilay ronono misy lalovay rehefa nipetraka 10minitra.
- kosehina tsara hifangaro ka rehefa izay dia arotsaka indray ny menaka dia kosehina tsara indray hifangaro eo ho eo amin'ny 15minitra eo no mikosika azy. Vita izay dia saromana lamba ary avela mipetraka indray mantriny ny 1ora sy 30minitra. Mitombo avo 2 heny izy io avy eo ka dia volavolaina hiala ny rivotra.
- Vita izay dia atao lavalava tahaka ny mofo dipaina ilay pâte dia tetihina ka rehefa voatetika dia fisahana ary ahorona tahaka ny manorona tsihy izy rehetra. alahatra ambony lasitra voahosotra dibera dia avela hipetraka 30minitra indray. Rehefa hita fa mitombo dia hosorana ilay atody voakapoka nafangaro vovodronono hahamena fify azy rehefa vita.
- Atao anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ka amin'ny hafanana 180° mandritra ny 25 minitra

Mazotoa mampihatra ary o!
afaka zarainao izay vitanao na ao amin'ny vondrona Mamina na ny pejy 
Nahandro sy sarin'i Beby Lalaina 25.11.2017

 

Ingrédients: 
Catégorie: