Pain aux raisins

Portrait de Angie
678

ODI AMBAVA-FO na SAKAFO MARAINA : PAIN AUX RAISINS

"Pâte briochée" no nanaovako azy:

Zavatra ilaina:
250g lafarina
1 tsongo sira   
12g lalovay " levure de boulanger "
2 atody
60g dibera malemy, 
15g siramamy vovoka
12cl ronono
voaloboka maina (raisin sec) izay tiana

Fikarakarana azy

Atambatra ny lafarina ny sira ary siramamy, arotsaka ny atody efa voakapoka, arotsaka koa ny lalovay efa nolevonina tao anaty rano matimaty, afangaro amin'ny tanàna izy rehetra,
Arotsaka tsikelikely ny ronono dia afangaro ihany, arotsaka ny dibera efa malemy dia afangaro tsara ihany, atao boribory tsara lilay paty dia saromana lamba dia avela hipetraka mba hitombo tsara mandritran'ny 30mn,
vita izay dia alaina indray ilay pâte dia kosikosehina vetivety dia saromana lamba indray mandritran'ny 20mn

Karakaraina kosa ny lakirema atao aminy.

Crème patissière: 
zavatra ilaina

25cl ronono
2 tamenakatody 
60g siramamy vovony
20g lafarina
"parfum vanillée" kely fotsiny

Fikarakarana azy:
hafanaina ny ronono, maka "bol" dia afangaro ao ny tamenakatody sy ny siramamy dia kapoana tsara dia asiana ilay hanitra "parfum vanillée ", alaina ilay ronono mafana iny avy eo dia arotsaka tsikelikely miaraka amin'izy ireo dia farany averina eo ambony afo dia afangaro tsara mandrapahatonga azymaharihitra arak'izay ilainao

Farany:
Hafanaina mialoha ny lafaoro (180°),
Alaina ilay pâty dia fisahina ho eo ho eo amin'ny 1/2cm eo ny hateviny, osorana an'ilay crème patissière eo amin'ny tampony dia avy eo rarahina miparitaka eo amboniny ny "raisin sec" efa avy nalona rano mialoha, dia avy eo ahorona toy ny tsihy ilay pâty , tapatapahina dia apetraka eo ambony lasitra dia osorana atody amin'ny "pinceau" ilay izy. Handrahoina ao anaty lafaoro amin'izay 30-40 minitra eo

Mazotoa

 nahandron'i Hajanirina Robinah Rakotovao

 

Catégorie: