Pain de viande

Portrait de Angie
591

"PAIN DE VIANDE" 

fikarakarana azy 10 minitra
fotoana handrahoana azy 40 minitra

ZAVATRA ILAINA :

totonkena 100g isan'olona (eto dia 500g no nampiasaiko)
atody 3
tongolo maitso, tongolo be, tongolo gasy hasiny iray na roa
sira, dibera, 
"chapelure" 200g 

FIKARAKARANA :

(afaka asiana "fécule" kely ko ny totonkena fa arotsaka mialoha, ary somary kapohana ary avela hiaina na hiakatra kely, raha toa ka totonkena kelikely no ampiasaina ho an'olona maro)
- Tetehana ny tongolo sy zava-maitso tiana ampiarahana aminy, "mixer"-na miaraka amin'ny atody
- vita izay, dia atao anaty bol ny totonkena , arotsaka ny fangaro , arotsaka ny "chapelure" , afangaro tsara , atao anaty "plat na bol" fahandro anaty lafaoro , afaka atao boribory, afaka atao lavalava, andrahoy anaty lafaoro mandritra ny 40 minitra 150°C ; na koa ataovy 180°C ny 15 minitra voalohany ary ampidinina avy eo. Mazotoa homana.

Nahandron'i NyÉko Soké Zita

Catégorie: