Pain perdu grillé

894

"ACCOMPAGNEMENT" : PAIN PERDU SALÉ GRILLÉ 

ZAVATRA ILAINA:
mofo nialonandro 1 na 2 arakaraky ny isan'ny olona hinana
persily 
tongolo gasy 
dibera 50g isaky ny mofo 1

FIKARAKARANA AZY:

- avoaka mialoha avy ao anaty vata fampangatsiahana ny dibera dia hatao "pommade" rehefa malemilemy
- tetehana madinika ny persily, totoina ny tongolo gasy
- afangaro ireo rehetra ireo, afaka asiana sira kely fa tsy voatery
- Tetehana ny mofo dia hosorana an'iretsy fangaro iretsy (Tartiner) ambadika sy ambadika

- atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny

Afaka ampiarahana amin'ny sakafo misy "pâtes" rehetra (spaghetti, macaroni, lasagne, gratin...) na "potage de légumes" hatao solon'ny "croûtons".

Mazotoa o!

Nahandron'i Juju Rapops 

Catégorie: