Pain perdu salé

685

ODY AMBAVA FO : PAIN PERDU SALÉ

"Gouter" nefa azo atao "aperitif" koa

ZAVATRA ILAINA:

Mofo dipaina tsy dia mafy be lotra an 
"Poireau" kely 
Voatabia 
Sira 
Dipoavatra ary izay hanitra tiana (curry, cumin, tamotamo sns)
Lafarina 
Rano matimaty kely 
Menaka fanendasana 
Marihina fa sady tsy misy atody no tsy misy lalovay ( levure ) ihany koa. Sady tsy mifoka menaka

FIKARAKARANA AZY

1. Rehefa voadio tsara ny "poireaux" sy ny voatabia dia tetehana. 
2. tapatapahana ilay mofo atao madinika tsara
3. Maka "bol" lehibe iray dia arotsaka ao aloha ny voatabia,ny "poireaux" ary ny lafarina dia afangaro tsara. Avy eo arotsaka indray ny mofo dipaina dia afangaro tsara. Arotsaka tsikelikely manaraka avy eo ny rano ka rehefa tsy matsora be no tsy marihitra be ny paty dia ajanona. Asina sy sy dipoavatra sy izay hanitra tiana  
4. Avelao hipetraka kely eo amin'ny 15 minitra eo 
5. Afanaina amin'ny afo malefaka ny menaka. Dia endasina ka rehefa mendimendy sy mena fify tsara dia vita. 
6. Apetraka ambony taratasy na "essui tout" mba hitsika tsara ny menaka

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

Nahandron'i Soa Bonheur, nampiharin'i Fahamarinana Maharitra, Fanirizo Arimalala.

 

Catégorie: