Pancake 2

870

SAKAFO MARAINA NA ODY AM-BAVA FO : PANCAKE na TAPOTSATROKA 

ZAVATRA ILAINA:

Lafarina 1kapoaka,
ronono velona masaka 250ml,
atody 2,
dibera 50g,
siramamy 3 sotro fihinanana,
sira 1 tsongo.

FIKARAKARANA AZY :

Kapohana ny atody, siramamy sira . Rehefa levona ny siramamy dia arotsaka ny dibera dia kapohana ihany.
Arotsaka ny lafarina dia afangaro tsara.
Arotsaka amin'ny farany ny ronono ary tsy atao mitsiranoka loatra 
endasina amin'ny lapoaly sahala amin'ny manendy crêpe: araraka amin'ny sotrobe "louche'" ny pate ary rehefa misy "bulle" dia avadika.

Fanamarihana :
tsy nasiana lalovay sy rano ny eto. Ary tsy asiana menaka ny lapoaly satria efa misy ilay dibera.

Mazotoa o!

nahandron'i Léonora Ravolanjarasoa

Catégorie: