Pancake farci

1111

SAKAFO MARAINA NA GOUTER : PANCAKE FARCI (au chocolat /confiture)

ZAVATRA ILAINA

Atody 2

lafarina 200g

Lalovay simika 2 sotrokely (raha tiana)

Menaka na dibera mitsonika 2 sotro fihinanana

Siramamy mena 3 sotro fihinanana (tsy atao mamy be fa mbola hisy sesika)

ronono 200ml (efa nangotraka dia nampangatsiahana na matimaty)

sesika: kaonfitiora na sokolà

lapoaly tsy miraikitra

 

 

FIKARAKARANA AZY:

 

Kapohana ny atody sy siramamy

Arotsaka ny lafarina sy lalovay efa voasivana

araraka tsikelikely ny ronono sy menaka ary dibera efa malemy na mitsonika

Afangaro tsara avokoa ary ajanona rehefa mahazo paty tsy matevina be nefa tsy mitsiranoka be ihany koa

Maka lapoaly tsy miraikitra ka ny voalohany ihany no asiana dibera kely dia kely na menaka lalorina kely (raha tiana)

Maka sotrobe jobo na kopy dia araraka ny paty 1 sotro be

Maka kaonfitiora na sokolà iray sotrokely dia atao eo afovoany

Maka paty kely fotsiny indray dia saromana ilay sokolà na kaonfiiora,

Avadika rehefa misy “bulle” toy ny lavadavaka eo ambony

Rehefa vita dia azo rarahana “sucre glace” raha tiana.

Aroso mafana

Araho ny sary 

FANAMARIHANA.

tsy voatery asiana lalovay izy ity. 

Mazotoa
 

Nahandro sy sarin'i Andry Mamina 21.01.18

 

Catégorie: