Panisse

963

PANISSE MARSEILLAISE 
Ity ny fomba iray ampiasana ny lafarina avy amin’ny “pois chiches” izay be “proteine” ka mety tsara ho an’ny “végétarien” .

Matetika izy dia aroso miaraka amin’ny laoka misy saosy. Azo endasina ohatra ny ovy ihany koa.

ZAVATRA ILAINA:

 250g lafarina pois chiches 
rano 1 litatra
menaka oliva 2 sotro
sira
 
FIKARAKARANA AZY:

hafanaina ny rano asiana menaka olive ary sira 
Rehefa mangotraka dia atao malefaka ny afo dia arotsaka tsikelikely ny lafarina avy amin’ny “pois chiche”
Avela eo ambony afo mandritry ny 15 minitra afangaro hatrany.
Vita izy rehefa mahazo paty mitambatra tsara 
Fonosina “film alimentaire” atao ohatra ny saosisy na “boudin” 7 sm eo ny halavany hidina tsar any sisiny roa.
Atao anaty vata fampangatsiahana mandritrny ny tapakandro fara fahakeliny
Avoaka refa mampiasa azy
Didina boribory manify tokony ho 1/2 cm dia atao izay nahandro hitiavana azy satria efa masaka fa mila hafanaina fotsiny: endasina, anaty lafaoro, atono, na masakevoka  

Nahandron’I Niry Rafi 

Catégorie: