Parfait glace

439

PARFAIT GLACE 

Zavatra ilaina :

ILAINA :

"Crème fraîche" ( crème liquide) 250ml
Tamenak’atody 8
siramamy 150g
"compote de pomme" 300g (pomme 1kg + siramamy izay tiana) , 
"gelatine poudre" 10g
"cacao" 20g

FIKARAKARANA : 

- Atao masakevoka (bain marie) ny "gelatine" + rano kely, rehefa mitsonika tsara dia arotsaka ao anaty "compote" avy eo (1).
- Kapohana ny "crème fraiche" atao toy ny manao "chantilly"
- Kapohana ny tamenak’atody sy siramamy, rehefa levona ny siramamy, dia arotsaka ny ½ compote efa misy "gelatine", aroina tsara
- arotsaka ao indray ilay "crème fraîche" efa nokapohana
- Alaina ny ½ ireo fangaro ireo dia atao anaty moule, manaraka ny sisa tavela tamin’ilay "compote" ampiana ilay "cacao", ary araraka eo ambony indrindra ao amin’ilay lasitra

N.B: mba ahamora hanalana azy anaty lasitra dia asiana "papier alumunium "ao amin'ny fanambaniny lasitra.

Mazotoa o 

Nahandron'i Ravaka Nyravaka

 

Catégorie: