Pate à choux endasina

483

"PATE A CHOUX NENDASINA "
ILAINA :

lafarina 150g
dibera 100g
siramamy 10g
sira 5g
rano 1/4L
Atody 4 
ovy 3 antonony (masaka sy voapotsitra)

FIKARAKARANA :
- Ampangotrahana ny rano + sira + siramamy + dibera
- Rehefa mangotraka sy mitsonika ny dibera, dia arotsaka ny lafarina ary afangaro tsara. Rehefa mifangaro tsara sy mahazo paty somary maina dia esorina eo ambony afo
- Arotsaka tsirairay ny atody sady afangaro hatrany eo anelanelany.
- Rehefa voarotsaka daholo ny atody dia arotsaka ny ovy voapotsitra. Afangaro
- Endasina amin'ny afo malefaka, rehefa hita fa ho masaka dia somary didina amin'ny antsy mba ho masaka ny ao anatiny
- Rehefa masaka dia asina sesika ( sardine sy ovy voapotsitra ary mayonnaise ny ahy teto) avy eo dia rarahana "sauce béchamel" sy fromazy voakiky

Nahandron'i  sy sarin'i Ratianarivo Aina Rafalimanana sy Onitriniaina Rova

Catégorie: