Pate feuilletée fait maison

967

PATE FEUILLETEE VITA AN-TRANO - "pasta sfoglia" hoy ny italiana 

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 500g
sira 1/2 sotrokely
dibera 100g (tsy voatery fa eto aho nampiasa)
"margarine feuilletage" 250g à 400g
rano mangatsiaka 250ml

FIKARAKARANA AZY :

- SABLER : atambatra ny lafarina sy dibera malemy ary sira, kosehana amin'ny felan-tanana roa. Rehefa mahazo toy ny fasika dia asiana rano mahalena azy, arotsaka tsikelikely.
- FRAISER : rehefa manomboka mitambatra ho bola, dia kosehana amin'ny vohon-tanana.
- DETREMPE : Kenaina ho boirbory dia avela hilona 15minitra amin'ny toerana mangatsiaka. Mahazo ny antsoina hoe "détrempe"

- Lanjaina ny "détrempe" dia antsasaky ny lanjany ny "margarine feuilletage" ampiasaina (izany hoe raha 750g ny détrempe dia 375g ny margarine. Ny ahy Montfleuri eto fa tsy nanana donga - fa hafa ihany ny tena izy)

- PATON : velarina ny "détrempe" dia fonosina ao ilay "margarine feuilletage", somary kapohana amin'ny kibao (rouleau) mba hitovy tsara ny hafanan'ny "détrempe" sy ny "margarine"

- Rehefa izay, dia fisahana mahitsizoro ary zaraina 3 an'eritreritra dia avalona hamonjy afovoany ny sisiny 2 (Tour N°1 - tour simple) Fonosina "sachet" na "papier film" dia atsofoka anaty vata fampangatsiahana 15minitra

- Atodika any aminao ilay rirany tataka, fisahana indray ho mahitsizoro (manoloana anao izany ilay lavabe), dia zaraina 4 an'eritreritra, avalona hamonjy afovoany ny sisiny 2, dia avalona indray hifanindry (Tour N°2 - tour double). Fonosina dia anaty vata fampangatsiahana 15 minitra.

- Ahodina 1/4 de tour indray ny fipetrak'ilay pate teo. Manao Tour N°3 - tour simple indray avy eo, avela 15minitra ary farany ahodina 1/4 de tour dia atao ny Tour N°4 - tour double. Vonona ny paty. Afaka ampiasaina avy hatrany na "congeler"-na dia maka rehefa mila.

Fehiny : tour simple - tour double- tour simple - tour double (1-2-1-2) na koa 6 tour simple (1-1-1-1-1-1) fa hajaina foana ilay pause 15minitra. Ny tena tsara aza dia atao mielanelana be io fotoana anelanelan'ny tour io.

Azo ampiasaina amin'izay sakafo tiana

Araho an-tsary ny fanaovana azy.

Nahandron'i Vero Randriam 

 

Catégorie: