pates sy potikena

97

PATES SY POTIKENA 

Toy izao rehefa fetin’ny ankizy,
Tsy misahirana sady tiany ilay izy !

Pâtes asiana potikena,
Matsiro sy tsara jerena !

Ny pâte moa izay tianao dia mety,
Na tsara masaka na al dente !

Ny potikena koa torak’izany,
Izay sauce mahazatra anao ihany !

Ny pâte nataoko eto dia Farfalle,
Ny anatiny tsinona tsy lalina,

Tsy mitroka sauce toy ny penné
Na maccaroni izay misy lavaka be !

Tsy miholakolana toy ny tortilli 
Sa ahoana ry Andry Rungi ?

Ianao moa no any Italie
Spécialiste @ ity pâte ity !

Tsy sanatria mampidera basy @ Anglisy,
Fa mamorona avy @ zava-misy !

Hiverenako indray ilay plat,
Revenons à nos moutons hoy ny vazaha !

Asiana beurre ilay pâte rehefa avy natsiaka,
Raha ts’izay dia miraikitra fa tsisy fika !

Beurre salé aza no tena tsara,
Amin’izay tsy mila sira mety ampangarahara !

Avy eo endasina kely ny roquette,
Dia mifitsaka ary ny endriny mety !

Izay fotsiny ilay izy dia vita,
Milela molotra sahady i Balita !!!

 

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: