Paty sinoa vita an-trano

709

NOUILLE maison - paty sinoa vita an-trano 

Zavatra ilaina :

lafarina 500g,
atody 4,
sira atsasaka sotrokely,
rano 1 sotro fihinana na mihoatra kely,
2 sotro lafarina mangahazo na "fécule" mangahazo. 

Fikarakarana azy :

- Afangaro tsara ireo zavatra ilaina rehetra ka atao izay ahasoana paty bolongany. 
- Fisahina sy aforitra in-5 vao atao mahazo ny hatevenana 3mm, vao didiana hahazo paty. 
Raha mampiasa masinina fanafisahina mercato : 
- fisahina amin'ny hatevenana n°1, aforitra 2 ary averina fisahina indray n°1 ihany
- fisahina amin'ny n°2 indray, aforitra 2 ary averina fisahina fanindroany. 
- vita izay dia aroso fisahina amin'ny n°3. Tsy aforitra intsony fa avereno fisahina fanindroany mba tsy hikaikona.
- teo ny ahy no nampidiriko tamin'ilay nifiny ahazoana ilay endriny farany toy ny kankana io. Vita. Vetivety tokoa moa raha misy masinina. 
- Azo andrahoina toy ny paty rehetra anaty rano mangotraka sy sira ka raha vao mitsingevana dia vita. 

NB: Aza adino ny manisy "fécule" eny antsefatsefany eny mba tsy hiraikitra.Ary raha vao tafavoaka ny endriny farany asio "fécule" ihany koa mba tsy hiraikitra.
Recette thaï no nahitako io.

Nahandron'i Bonbon Mamibe 
 

Catégorie: