Petipoa sy lelan-kena

Portrait de Angie
1135

LAOKA : LANGUE AUX PETIT POIS - LELAN'OMBY SY PETIPOA

ZAVATRA ILAINA: 

lelan'omby
tongolo be 
voatabia
tongologasy
Laurier sy romarin
dipoavatra (poivre sauvage)
sira
petipoa (petit pois)

FIKARAKARANA AZY:

Andrahoina ny hariva ilay mbola bolongany be ny lelan'omby  miaraka amin'ny hanitra "laurier sy romarin" ary tongolobe  atao amin'ny afo malefaka ary kikisana ilay fotsifotsy hiala rehefa masaka 

Rehefa maraina dia tetehina araka izay habeany tiana ary tohizana andrahoina dia asiana tongolo be voatetika sy dipoavatra ary voatabia dia arotsaka koa ny petipoa , tsy adino ny sira araka izay tiana.

Aroso amin'ny vary mena sy fotsy sy lasary

Mazotoa o

Nahandro sy sarin'i Niry Rafi -13.05.18

Catégorie: