Petit gratin de pate

943

ODY AM-BAVA FO NA TSAKITSAKY – ENTREE CHAUDE: GRATIN DE PATE EN FEUILLE DE BRICK

Mba miova amin'ny mahazatra indray mba mikarepoka ny fonony no mba mora raisina, Sakafo italien moa izy ity 

ZAVATRA ILAINA

Pate nem/sambos : Feuille de brick
paty  (ambiny efa masaka eto)
saosy voatabia
menaka oliva
pois chiches (amin’ny boaty)
Atody
fromazy parmesan
oliva mainty
fromazy

FIKARAKARANA AZY

Manao saosy voatabia kely : esorina ny hoditry ny voatabia ka atao ao amin’ny rano mangotraka 1minitra dia esorina ary dia totohina avy eo andrahoina amin’ny menaka oliva sy oliva mainty (azo asiana tongolo gasy na tongolo be raha tiana
Andrahoina anaty rano mangotraka efa misy sira ny paty ary tsy atao malemy loatra fa “al dente “( raha 10 minitra no soratra eo amin’ny fonony dia azo atao 9 minitra dia esorina satria mbola hiditra lafaoro ) rehefa masaka dia arotsaka anaty saosy voatabia , arotsaka ao koa ny  “pois chiches” efa masaka notsihifina tsara dia ampiana atody iray voakapoka.
Lehibe ny “feuille de brick” eto ka zaraina efatra dia maka lasitra muffin dia apetraka ny “feuille de brick” 2 atao mifanaingina fa atao manome toy ny vonikazo dia tohizana hatrany , zany hoe tokony mahavita 2 ny feuille 1.
Asiana ilay fangaro paty sy saosy ary fromazy voakiky dia faranana fromazy didiny kosa mba hitsonika eo ambony rehefa masaka
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180 mandritry ny 15 minitra eo , fa mila ambenana fa mora may ny “feuille de brick”

Aroso mafana nefa tsara koa na mangatsiaka aza, satria menaka oliva no nampiasaina io no manimba ny tsiro raha ratsy ny saosy
Araho an-tsary ny fikarakarana
Mazotoa o 

Catégorie: