Pirina saosy

622

Bichiques - alevins - Pirina hoy isika Malagasy

Zavatra ilaina

Pirina
Menaka
tongolo be 
thym,
sakamalaho
 tamotamo
dipoavatra
sira
voatabia
rano

FIKARAKARANA AZY:

Nendasina amin'ny menaka kely ny tongolo be voatetika, thym, tongolo sy sakamalaho voatoto dia nasiana tamotamo dipoavatra ary sira.
Narotsaka ny pirina (bichiques na alevins eto) afangaro tsara.
Arotsaka koa ny voatabia mivaofy voatetika.
Asiana rano 1 kaopy dia avela hiketrika 15 minitra.
Atao somary ritra nefa misy saosy.
Hohanina amin'ny vary maina sy lasary voatabia.
Mazotoa.

Nahandron'i Bonbon Mamibé 

 

Catégorie: