Pizza aux fruits de mer

423

"PIZZA AUX FRUITS DE MER" 

ZAVATRA ILAINA :

=> ho an'ny paty
lafarina 250g
lalovay saf instant 1 sotro fihinanana
sira 1 sotro kely
rano matimaty 100ml
dibera 50g

=> ho an'ny fangarony :
"filet de sole" 125g
"thon" 125g
"sardine" am-bifotsy 1 (en boîte)
fromazy 1 (ilay boribory)
atody 2
"ketchup" fa lafo be ny voatabia (io koa no nisy tato hihi)

FIKARAKARANA :

- Afangaro ireo mandra-pahazo bola mitambatra.
- Avela hilona 1ora
- Afanaina mialoha ny lafaoro 200°C 10minitra
- kosehana ny paty dia araraka ny "ketchup" (somary asiana rano kely raha marihatra be), aparitaka eo amboniny ny "fruits de mer" avy eo ny atody, ary ny fromazy voakiky.
- Atsofoka anaty lafaoro 250°C mandritry ny 10minitra.

Nahandron'i Leevanalh Rakoto

NB : Azo atao amin'ny lapoaly ihany koa ny pizza 

- zaraina araka ny habean'ny lapoaly ny paty

- Hosorana menaka ny lapoaly, atao malefadefaka ny afo ary arotsaka ny paty.

- Rehefa somary mahazo loko ny lafiny iray, dia avadika ary apetraka avy hatrany ny fangaro sy ny fromazy voakiky.

- Saromana ny lapoaly ka raha vao mitsonika ny fromage dia vita.

- Raha toa ka mahery be ny afo dia bataina ny lapoaly ary avela hisarona mandra-pitsoniky ny fromage. 

mazotoa o