Pizza carnevale

949

SAKAFO MAHALEO TENA: PIZZA CARNEVALE 

Mba miova amin'ny pizza mahazatra indray ity fa dia ny karazana fromazy no tena ilaina hampatsiro azy 
Specialité italiana avy any amin’ny faritr’i  Sorrento

ZAVATRA ILAINA

Pate brisée  2 efa vita eto
Atody 8
Fromazy “ pecorino”  sy fromazy “grano Reggiano” voakiky
 sosisy 1/2 kg
Mozzarella na fromazy  Galbanino 1/2 kg
Sira sy dipoavatra kely.
voaloboka maina (eto aho tsy nanana)

Ho an’ny pate brisée
Pate brisée
1kg farina tipo 00
300 g dibera malemy
Atody 3
Ronono 200cc
siramamy 1 tsongo
sira sy dipoavatra kely
 

FIKARAKARANA
 

Pate brisée:
atao ambony latabatra ny lafarina dia asiana lavaka eo ampovoany ary alefa ao ny atosy sy ny dibera malemy , siramamy , sira ary dipoavatra, dia volavolaina avy aty ivelany mankao anatiny ary araraka tsikelikely ny ronono, rehefa mitambatra tsara daholo dia apetraka kely 30 minitra ka fonosina “film alimentaire”.Tsy voatery atao anaty frigo. Zaraina roa io avy eo mahavita paty atao ambony sy ambany.

Ny sesika:

Kapohina ny atody vao arotsaka ny sira, dipoavatra, saosisy, fromazy  voakiky, mozzarella voatetika, raha misy voaloboka maina dia asiana ihany koa
Afangaroana tsara hifandray tsara avokoa.

Alaina ny paty dia asiana “papier cuisson” ambony latabatra (dia mora bataina atao anaty lasitra miaraka amin’ilay taratasy ny pate brisée) izay zaraina roa dia fisahina amin’ny “rouleau” na tavohangy
Apetraka anaty lasitra ny iray dia araraka ilay sesika efa nafangaro tsara.
Avy eo saromana amin’ny paty brisée iray tahaka iny ihany no tena izy ary hidina tsara ny sisiny rehetra, dia lalorina atody na ronono kely hanome loko avy eo ( saingy ny ahy teto tsy nisy dia natsofiko tsy misy sarony).

Atao anaty lafaoro efa mamay 180°C mandrapaha menamena azy.20-25 minitra eo araka ny lafaoro moa.
 

Mazotoa o 

Nahandron'i Tiana Parlato 
 

Catégorie: