Pois chiches mikarepoka (apéro)

923

 TSAKITSAKY: POIS CHICHES APERO 

ZAVATRA ILAINA:

1 boaty pois chiches,
Menaka oliva,
sira,
curry,
paprika,
vovona sakay, sns
hanitra zay tiana.

FIKARAKARANA AZY:

atsihika ny ranon'ilay pois chiches anaty boaty, somary fafana amin'ny lamba mihitsy ireo voa, esorina ny hodiny raha misy mivoaka,
androtsahana menaka oliva handemana azy, asio sira sy ireo hanitra eo ambony.
Velarina tsara tsy mifanosina ambony plat misy papier sulfurisé,
atsofohy lafaoro mafana 200°C mandritra ny 40mn.

Mazotoa o 
Nahandron'i Bonbon Mamibe

 

Catégorie: