Poisson à la bellevue

Portrait de Angie
146

POISSON A LA BELLEVUE

Ahandroy ny ovy 1 kilao, dia voasy sy potsiro avy eo,
Ahandroy koa ny trondro ary ny taolany esory daholo !
Rehef’izay dia asio sira sy afangaroy tsara izy ireo,
Dia alefaso ny mayonnaise, ataovy amin’ny sotro im-polo !

Alaivo ny plat lehibe iray, efa voalafika salade,
Dia ataovy eo ilay fangaro efa vita !
Anaovy sary trondro @ izay fahaizanao azy,
Ataovy metimety fa ny talentanao eo no hita !

Ny concombre tapaho manify dia zarao mitovy tsara,
Dia apetraho toy ny solon-kiran-trondro eo amboniny,
Makà tapotsin’atody masaka, ataovy eny koa fa makarakara,
Io no manova ny endriny, toy ny ravina mba misy tonony !

Asio karaoty notapahina manify, atao manasaraka ny lohany
Ary ny masony dia voatabia ao anaty tapotsin’atody masaka
Hoditra concombre natao lavalava sy fisaka no rambony,
Ny voatabia manodidina azy atao madinika mba tsy hilatsaka ! 

Dia jereo amin’izay ange ity izy ?
Haka tsirony ery izao ny ankizy !!!

 

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: