Pommes dauphines

Portrait de Angie
750

SAKAFO MAHALEO TENA : POMMES DAUPHINES

Zavatra ilaina : 
rano 250ml
dibera 80g
atody 3
lafarina 150g
sira 1 tsongo
ovy masaka voapotsitra (atao maimaina)

Fikarakarana azy :

- Ampangotrahana ny rano sy dibera (na menaka) ary ny sira. - Rehefa mangotraka, dia esorina ambony afo
- arotsaka indray mandeha ny lafarina ary ahodina haingana mba hivaingana, raha lena loatra dia somary hamainina ambony afo. 
- Afindra anaty lovia jobo hangatsiaka, arotsaka tsirairay ny atody ary ahodina mafy tsara hifangaro. 
- Rehefa mifangaro tsara daholo ireo, dia arotsaka koa ny purée, asio sira raha matsatso loatra. Tokony hahazo pâte marihitra somary miraikitra. 
- Afanaina ny menaka, raisina amin'ny sotrokely ny fangaro dia arotsaka ao rehefa mamay ny menaka, rehefa somary mena sy mitsikafona dia vita, aza ajanona ela loatra fa mora masaka.

- Atao anaty lovia misy "essuie-tout" izay vita, tsy dia mitroka menaka firy izy io.
Nampiarahako tamin'ny lasary karoty ny ahy teto.

Mazotoa !

 nahandron'i Bonbon Mamibé

 

Catégorie: