Porc caramélisé

1008

PORC CARAMELISE' - toy ny tsa tsiou ihany moa izy ity

ZAVATRA ILAINA:

- soron-kisoa fisapisaka
- tongolo gasy sy sakamalaho voakiky
- saosy soja
- romarin
- tantely
- siramamy mena 
- menaka, sira sy dipoavatra raha tia

FIKARAKARANA AZY 

- afangaro ny sakamalao sy tongolo gasy voakiky, sauce soja, tantely, siramamy mena, menaka, sira, dipoavatra
- rehefa mifangaro tsara ireo dia afangaro amin'ny soronkisoa, karokarohina tsara ary arotsaka farany ny romarin notsongotsongoina
- saromana dia ajanona hilona adin'ny 4 eo ho eo, afangarongaro tsindraindray
- afanaina 240° C ny lafaoro "mode grill" (na tsotra koa tsy maninona) ary atono ao 30 minitra ny hena dia avadika amin'ny lafiny iray indray dia ampiana 30/minitra fanindroany

Vita tompoko. Azo ampiarahana amin'ny "salade de riz", ovy frity, paty isan-karazany ...

Teto dia naroso niaraka tamin'ny "spaghetti" nendasina kely tamin'ny tongolo be sy dibera ary rehefa akaiky ho vita iny dia narotsako tao koa ny ambin'ilay fangaro nandomana ny hena dia navela hitsatsitsatsika kely. Afaka asiana kotomila voatetika majinika.

Mazotoa homana ô!

Nahandron'i Minosoa Raoniarimanga
 

Catégorie: