Potatoes - Ovy

767

POTATOES - OVY

ZAVATRA ILAINA: 

Ovy
menaka oliva, 
sira,
paprika,
"herbes de provence"( na persil, tongolo maintso, thym koa mety) ,
tongolo gasy,
carry ,
dipoavatra,

FIKARAKARANA AZY:
Sasana tsara ny ovy, andrahoina miaraka amin' ny hodiny ( ohatran'ireny hanao "hors d' oeuvre" ireny) .
Rehefa mangotraka eo amin' ny folo minitra eo dia avela hangatsika fa hozaraina efatra miara amin'ny hodiny , ary alahatra anaty "plat"  mandeha lafaoro.
Afangaro amin ' ny vilia ny menaka oliva, sira, paprika, "herbes de provence" , tongolo gasy, carry , dipoavatra, avy eo hosorana ny ovy. 

FAHANDRO AZY:
Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina (200 °, chaleur tournante ny ahy) afaka 15 minitra navadiko ny ovy mba ho maimay tsara ny faritra tsy maimay teo.
Pirina nendasina no nohanin'ny sasany miaraka taminy , fa afaka atao laoka amin'ny vary ihany koa ny potatoes.

Mazotoa o 

Nahandron'i D'âme de Fair‎

Catégorie: