Potik'ovy sy saosisy

939

SAKAFO MAHALEO TENA: POTIK’OVY SY SAOSISY - SBRICCIOLATA DI PATATE – POMME DE TERRE FARCI-

Tsotra nefa matsiro mba miova amin’ny mahazatra nefa mahavoky tsara ihany koa

ZAVATRA ILAINA:

Ovy 600 g
atody 1
170-180 g lafarina
40 g fromazy voakiky
sira
dipoavatra raha tiana
potimofo (chapelure)

Sesika:
saosisy 250g na toto-kena
mozzarella 200 g na fromazy

FIKARAKARANA AZY:

- Andrahoina aman-kodiny ny ovy
- Mandritra izany maka lapoaly asiana menaka oliva dia endakendasina ao ny tongolo be voatetika manify , arotsaka ny totokena na saosisy niala hodiny ka nopotehina.
- Hafanaina ny lafaoro 200°
- Jerena ny ovy raha mahasaka, tsindromia sotro rovitra na antsy ka rehefa malemy dia ariana ny rano dia voasana ary potserina ka atao anaty tsatokaty lehibe.
- Asiana sira sy atody iray dia afangaro tsara.
- Arotsaka ny fromazy voakiky sy ny lafarina izay atao tsikelikely dia afangaro tsara hatrany dia vonona iny
- Karakaraina ny lasitra ilay misokatra no tsara satria mora esorina, asiana “papier cuisson” (raha tsy misy dia azo asiana dibera na menaka dia rarahana lafarina na “chapellure “).
- Asiana ilay fangaro ovy ny lasitra atao feno tsara daholo ary mitovy haavo, hamelana kely ampahatelony eo io fangaro io fa ilaina amin’ny farany
- aparitaka eo amboniny ny saosisy sy tongolo efa nendasina, manaraka azy ny mozzarella na fromazy voatetika madinika.
- alaina indray ilay fangaro ovy fa atao mitsitokotoko eo amboniny ka alaina amin’ny rantsa-tanana misy lafarina mba tsy hiraikitra.
- Faranana amin’ny potimofo na “chapellure” izay mikarepoka rehefa masaka sy dipoavatra kely raha tiana.

FAHANDRO AZY :

Ampidirina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 200°C mandritry ny 35 minitra eo araka ny lafaoro io moa.
Rehefa vita dia apetraka kely 10 minitra aloha vao sokafana ny lasitra.
Azo aroso miaraka amin’ny salady legioma mba ho sakafo feno

Mazotoa o 
Araho ary ny fikarakarana an-tsary 
Fampiharana ny nahandron'i Benedetta pejy Fatto in casa da Benedetta 

Ato ny video 

 

Catégorie: