Poulet au cola

508

POULET AU COLA

ZAVATRA ILAINA :

_fen'akoho 2
_ranom~boasary 1sotro lehibe
_vinaingitra 1 sotro lehibe
_Cocacola 10cl
_Tantely 1sotro lehibe
_sakamalao voakiky 1 sotro kely
_dobera 10g
_menaka 1 sotro lehibe
_tongolo lehibe 1
_Sira sy dipoavatra izay tiana

FIKARAKARANA :

1_Afanaina miaraka amin'afo malefaka ny dobera sy ny menaka
2_Arotsaka ao ny nahandro dia andrahoina sy avadibadika ary ato mendimendy mandritran'ny 10mn
3_Voasana sy tetehina manify ny tongolo ary arotsaka ao amin'ny nahandro ao,arotsaka ao koa ny sakamalao,ny sira sy ny dipoavatra dia afangaro tsara ireo rehetra ireo dia saromana ary andrahoana eo amin'ny afo malefaka mandrintran 'ny 30 ~ 40 mn.
4_rehefa izay dia arotsaka ny tantely,ny ranom~boasary,ny coca ary ny vinaingitra.Afangaro tsara amin'ny sotrobe hazo ny saosy dia avela mihandro eo mandritran'ny 10mn ka tondratondrahana tsara ny henan'akoho ary atao malefaka hatrany ny afo.
6_Rehefa marihitra tsara ny dia vita.(tsara raha aroso mafana miaraka amin'ny vary na legioma nopotsehina ihany koa )

Fanamarihana: Recette nalaina tao amin’ny “Apprenti Mag”, fa tsy nisy tao amin'ny boky “fa hitako hoe mbola mafy ilay nahandro dia nasiako rano izay tokony ahamasaka azy ny ahy teo am~panaromana azy iny.

 

Nahandron'i Privat Ny Aina

 

Catégorie: