Poulet pané

Portrait de Angie
524

POULET PANÉ na croquettes de poulet

Zavatra ilaina : 

Elatrakoho izay sahaza 
Thym 
sira, dipoavatra,
saosy voatabia sy bazilika = 2 sotro fihinana 
lafarina = 2 sotro fihinana ny ahy teto fa arakaraky ny habetsaky ny elatrakoho. 
Potim-mofo na Chapelure 
Atody = 1 
Menaka fanendasana 

Fikarakarana azy : 

1. Rehefa voadio ny Elatrakoho dia zaraina 2. 
2. Maka bol lehibe dia arotsaka ao ny Elatrakoho, ny thym, ny sira, dipoavatra, saosy voatabia sy bazilika dia afangaro tsara 
3. Kapohina ny atody dia afangaro tsara ao anaty ny fangaro avy eo arotsaka koa ny farine dia mbola afangaro tsara. 
4. Lasa maditidity eto ny fangaro. 
5. Afanaina amin ny afo malefaka ny menaka. 
6. Atao ao anaty lovia fisaka ny poti-mofo. 
7. asoka tsirairay ao anaty poti-mofo ny fangaro dia avy eo endasina. 
8. Naroso niaraka tamin ny salade sy voatabia .

Vita ny sakafo 

Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô

nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: