Poulet roti 2

837

POULET RÔTI 

ZAVATRA ILAINA:

Moutarde 
saosy soja
vinaingitra 
siramamy 
tongolo gasy 
sira vaingany 
Akoho
menaka

FIKARAKARANA AZY

Macération:

atambatra ao anaty koveta lehibe ny moutarde 1 sotro fihinanana, saosy soja 1 sotro fihinanana , ny vinaingitra ½L , ny siramamy 4 sotro fihinanana, tongolo gasy voatoto,ary vaingan-tsira kely dia kapohana amin'ny fouet mba hifangaro tsara.

Didina kely ny nifon'akoho dia anitrihana hasina tongolo gasy.
Alefa ao amin'ilay "macération" mandritry ny alina tontolo ny akoho, avadibadika. Ny maraina vao asiana menaka tapaky ny sotrobe  (tsy miditra tsara any anatin'ny nofon'akoho ny macération raha alefa aloha ny menaka), osorana vovon-tsira kely ny vatan'ilay akoho sao tsy ampy ilay natao tamin'ny "macération".

Andrahoina anaty lafaoro efa nohafanaina mialoha 200 degré, ary atao afo ambony-ambany. Osorana "macération" matetitetika amin'ny "pinceau" ilay akoho.
Teto 2ora 30minitra ny faharetan'ny fandrahoana satria lehibe ny akoho.

NB: Azo atao tsara manao azy ity amin'ny vilany tsotra na lafaoro vilany ihany koa , izany hoe afo ambany dia avadika ny takotra dia asiana afo koa eo ambony 
Mazotoa o !

Nahandron'i Nalisoa Randria

 

Catégorie: