Poulet sauce indienne

550

Akoho saosy 

Zavatra ilaina 

Tongolo be,
tongolo gasy,
voatabia saosy,
kotomila,
epices: cumin, paprika mamy, curcuma, canelle,
ravina laurier,
sira,
menaka ,
rano ,
fen’akoho.

Fikarakarana azy 

tetehina madinika kely avokoa ny tongolo be sy tongolo gasy 
hafanaina ny vilany dia arotsaka ny menaka , avy eo ny tongolo be, ka rehefa mahazo loko tsara mihena vao arotsaka ny tongolo gasy (mora may ka tsy atao mialoha mihitsy), ary dia arotsaka avokoa ny epices cumin, paprika, curcuma, arotsaka ny cannelle sy ny feuille de laurier , asiana sira kely foana rehefa mifandray tsara ireo rehetra ireo dia arotsaka ny sauce voatabia (efa amin’ny tavoahangy ny ahy teto, fa afaka atao ny voatabia frais ) sy rano kely dia avela ho masaka tsara ireo.

Sasana kosa ny fen’akoho dia esorina ny hodiny , dia alahatra ao anaty vilany , asiana rano tapaky ny vera eo ho eo dia saromana ary atao afo malemy, mora masaka ilay akoho ka tsy atao be rano sy afo be. Avadibadika kosa mba hahazo saosy.

Azo hohanina amin’ny vary na couscous na mofo... 
eo amin’ny commentaire ny sary rehetra 
Mazotoa o

 

Catégorie: