Pudding vomanga

665

ODY AM-BAVA FO : PUDDING VOMANGA nahandron'i Lah Randria

ZAVATRA ILAINA :
Vomanga 1kg
maïzena 500g
siramamy 500g
menaka 250 ml
lavanila 1

FIKARAKARANA AZY :

- Andrahoina aman - kodiny ny vomanga. 
Rehefa masaka dia voasana, tetehana, dia potehana anaty "blinder" (asiana rano kely), - rehefa voatoto tsara dia atao anaty "bol", mahazo paty tsy matsora be eto sady tsy madity loatra.

- arotsaka ny maïzena, afangaro tsara, toy izay koa ny siramamy, ny voan-davanila, aroina hatrany, alefa ao ny menaka teo izay hamelana kely mba hanosorana ny lasitra
- Hosorana menaka ny lasitra (mahitsizoro ny ahy teto), arotsaka ao ny paty

- ampidirina lafaoro efa nohafanaina mialoha , 220°C mandritry ny 40minitra. 
- Tsindronina amin'ny antsy, ka rehefa tsy manaraka sy rehefa milokom-bolamena ny tampony dia vita

- avela mangatsiaka vao esorina anaty lasitra ary tetehana amin'izay endriny tianao.

Fanamarihana : Somary mandranoka ny paty fa aza taitra, izay no andrahoina azy maharitra

Mazotoa o !

 

Catégorie: