PUNCH AU COCO.

Portrait de Angie
210

PUNCH AU COCO.
Recette special maison.

Zavatra ilaina azahoana Punch 4L:
- Rhum pure 1L (ohatra: galeoka na ambodivoara, sns...no ampiasaina eto)
- Lait de coco 1L
- Ronono mandry 2L na 2Kg
- Chocolat noir 1paquet lehibe (manana ny chocolat vita Malagasy isika)
- Vanille izay hitiavana azy fa tsara raha atao maromaro.

Fanamboarana azy:
Afanaina ny lait de coco (tsy atao afo mahery) ka rehefa manomboka hangotraka dia esorina ambony afo.
Arotsaka ny chocolat ary haroina tsy mijanona mandrampintsonika ( mampiasa sotro hazo ary tsy mampiasa plastika mihitsy)
Arotsaka manaraka ny ronono ary haroina foana tsy mijanona.
Arotsaka farany ny rhum pure.
Rehefa tsara fangaro izy rehetra dia tsinjaraina anaty tavoahangy vera ka asiana taho vanille maromaro.
Saromana tsara ary ahontsana tsirairay ny tavoahangy misy azy.
Atsofoka avy hatrany anaty congelateur (tsy maintsy) mandritra ny 5-10mn dia avoaka ary averina ahontsana tsirairay ny tavoahangy.
Apetraka @ toerana maina sy madio.
Azo sotrina afaka 24ora fa arakaraka ny mahaela ny hitoerany ny mahatsara azy ( avela afaka enim-bolana no tsaratsara kokoa)
Ahontsana isaky ny alohan'ny hisotro ny tavoahangy.
Ahoana no ahafantarana fa vita tsara ny punch au coco?...vita tsara izy raha tsy misy mivaingambaingana toy ny yaourt hita ao anaty tavoahangy raha ahontsana.

Mazotoa o 
de Monique Claires Malal

 

Catégorie: