Quiche au soja

452

QUICHE AU SOJA - THON FUME" 
 

ILAINA :
Ho an'ny "Pâte brisée":
lafarina 150g
dibera 75g
atody 1/2
sira 1 tsongo

FIKARAKARANA :
- Volavolaina hifangaro ireo dia avela hilona 30minitra.
- Fisahana ho fisaka dia atao amin'ny lasitra boribory 24sm ny savaivony, 
- tsindrotsindromina amin'ny sotro rorvitra, dia ampidirina lafaoro 200°C mandritra ny 15minitra avy eo

Ho an'ny sesika :

faikana soja (soja 1 kapoaka avy nangalana ronono dia ny faikany no ampiasaina)
karoty 1
tongolo maitso
atody 2
sira
dipoavatra
"thon fumé" 100g

FIKARAKARANA : 
Afangaro avokoa ireo rehetra ireo, dia araraka eo ambonin'ilay "fond na quiche"
Ampidirina lafaoro 200° mandritra ny 30mn
Mirary soa hatrany dia am-pitiavana foana

nahandron'i Aina Rakotoarisoa